Ny fon'ny Renintsika

Ny fon'ny Renintsika,
Fo mirehi-pitiavam-be
Omeontsika haja
Valio ny fontsika. (indroa)
 
1 Fo lapa volamena
 Nitoeran'i Jesoa,
 Fo fototra isehoan'
 Ny hatsaran-drehetra,
 Fo voalefom-pito
 Noho ny helokay,
 Mahantra, endrey! ny olona
 Tsy mahalala anao!
 
2 Mba hahitan'ny olona
 Fa Reninay ianao
 Ny vavakay akaro
 Any amin'i Jesoa.
 Ny tananao amparo
 Mba hialofanay;
 Ny lalanay tariho
 Ho any amin'i Jesoa.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 648
Vavaka sy Hira p. 609
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224