Ny fitia no faneva natsangany ho ahy - Foiko ho anao avokoa, Tompo Andriamanitra

1 Foiko ho anao avokoa, Tompo Andriamanitra ô,
 Ny harena sy laza rehetra eto an-tany, Tompo...
 Satria ny fahantrana omban'ny fitia
 No nanavotanao 'reo mahantra am-panahy.
          (Hiroso ny diako, satria...)

Ny fitia no faneva natsangany ho ahy, (indroa)
Natolony an-tanako mandrakizay,
Hiaro ny dia eny an-dalana ombàko:
(Hiroso ny diako, satria), Tompo Andriamanitra ô,

2 Ho tsara tahiry atolotro anao e, Tompo Andriamanitra ô,
 Ilay fahadiovana anatin'ny foko, Tompo...
 Fa anatin'ny lisy no miriaria
 Ilay Zanak'ondry manala ny ota.
          (Hiroso ny diako, satria...)

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 645
Fihirana Vaovao p. 516
Vavaka sy Hira p. 769
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821