Ny fahazazan'ny Mpamonjiko

1 Ny fahazazan'
 Ny Mpamonjiko
 Mahafatifaty
 Ny foko, endre!
 Ny fahalemeny
 Misy hery be!
 Zaza kely izy,
 Manam-pahefana.

2 Ry Anjely masina,
 Mankanesa atý,
 Ankalazao tsara
 Ny Mpamonjintsika!
 Mba mahavariana
 Ny fanahiko
 Ny fitomanian'
 Ity Zaza ity.

3 Mampangoraka ahy
 Ny fietrenao
 Mahagaga loatra
 'Zao ataonao 'zao!
 Eny, ry Mpamonjy,
 Ho tsaroako
 Ny fampianarana
 Hitako izao.

4 Anatra mahagaga
 'Zay milaza hoe:
 Raha tsy hateraka
 Indray ianao,
 Ny halehibenao
 Tsy mba tiako;
 Ny anjara an-danitra
 Tsy ho azonao.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Noely
Fihirana Hasina p. 642
Vavaka sy Hira p. 683
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0614