Nohosihosena vao mamerovero

1 Nohosihosena vao mamerovero:
 Fa hoe lian-kanina sady mpisotro,
 Nalaza ho misy fanahy maloto.
       Nohosihosena vao mamerovero!
       Tsodrano no setrin'ny fanaratsiana...
       Ny fony mandefitra mamerovero!
 Ny fon'i Jesoa no mandefitra mamerovero!
 
2 Nohosihosena vao mamerovero:
 Natao hoe mpandainga mpamita-bahoaka,
 Ka dia nororana, noviraviraina.
       Fa nohosihosena vao mamerovero!
       Mangina no setrin'ireo fiampangana...
       Ny fony maratra vao mamerovero!
 Ny fon'i Jesoa no maratra vao mamerovero!
 
3 Nohosihosena vao mamerovero:
 Notampena-maso, nasian-tehamaina
 Nasaina namantatra ireo izay namely.
       Fa nohosihosena vao mamerovero!
       Talaho tamin-dRainy no setrin'izany...
       Ny fony mangoraka mamerovero!
 Ny fon'i Jesoa no mangoraka mamerovero!
 
4 Nohosihosena vao mamerovero:
 Nesoina amin'ny satroka fehiloha tsilo,
 Nohelohina tahaka ny olona ambany.
       Fa nohosihosena vao mamerovero!
       Fiainan-tsy ritra no setrin'izany...
       Ny fony voalefona mamerovero!
 Ny fon'i Jesoa no voalefona mamerovero!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 478
Fihirana Hasina p. 638
Vavaka sy Hira p. 800
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811