Nitsangan-ko velona ny Mpamonjintsika

1 Nitsangan-ko velona
 Ny Mpamonjintsika,
 Herezo, ry Tompo
 Ny finoanay. Ave...
 
2 Niakatra an-danitra
 Ny Tompo Tsitoha,
 Mahereza tsara
 Ho am-paradisa.
 
3 Ry Fanahy Masina,
 Midìna aminay;
 Ny Eglizinao re
 Aoka ho tianay.
 
4 Ry Anjely sambatra,
 Akaro i Maria.
 'Zahay manantena
 Hihaona aminy.
 
5 Ny voninahitrao
 Derainay, Maria;
 Izahay mikasa
 Tsy handao anao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 637
Vavaka sy Hira p. 618
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095