Mitehafa tanana, ianareo vahoaka - Nahoana ianareo no gaga

Nahoana ianareo no gaga
Mibanjina ny lanitra eto,
Ry lehilahy avy any Galilea,
Ry lehilahy avy any Galilea?
Fa toy ny isandratany iny miakatra
Any an-danitra any
No hiverenan'i Jesoa Tompo indray,
No hiverenan'i Jesoa: aleloia, aleloia.

(Sal. 46)

1 Mitehafa tànana, ianareo vahoaka,
 Hiram-pifaliana no venteso re:
 Tompo mahatahotra 'lay Andriamanitra,
 Fa mpanjaka lehibe hotompoina.
 
2 Fa vahoaka marobe no nataony ambaninay,
 Fokom-pirenena re efa resinay:
 Nofidiny ho anay 'lay anjara lovanay,
 Reharehan'i Jakoba olon-tiany.
 
3 Hobin-kafaliana, feon'anjomara re
 No iakaran'i Kristy, isandratany:
 Miantsà sy mihobia ho an'Andriamanitra,
 'Lay mpanjaka Tompontsika no misandratra.
 
4 Izay no mpanjaka anie, azy izao rehetra izao,
 Ka hobio, ankalazao ny anarany:
 Anjakany avokoa ny vahoaka an-tany atý,
 Iny lanitra iny kosa fiketrahany.
 
5 Ny andriam-bahoaka miaraka amintsika izao
 Mankalaza an'i Kristy Andriamanitra:
 Ho anao irery anie 'zany tononkiranay,
 Zanahary Tomponay tafasandratra.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 608
Fihirana Vaovao p. 146
Vavaka sy Hira p. 283
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089