Misaotra anao 'zahay, ry Tompo

Misaotra anao, 'zahay, ry Tompo,
Niantso anay ho zanakao tokoa:
Ho zanakao mandrakizay.
 
1 'Lay voantsinapy nafafy fahizay
 No tonga hazo fialofanay;
 Ianao, ry Tompo, no nahatonga izany
 Noho ny indrafonao tsy lany.
 
2 'Lay kintana nitarika fahiny
 'Reo olon-kendry Majy nivahiny
 No indro koa nitarika anay
 Ka nanova bika ny Nosinay.
 
3 Ny tarany nahasoa ny firenena
 Namafy teto ny tena fahendrena,
 Ka nampisava ny tsy fahalalana.
 Finoam-poana mitondra hadalana.
 
4 Nihena koa ireo fitiavan-tena
 Sy ny fanao nambotry firenena;
 Nitatra teto, nandeha tsikelikely,
 Ny fahazavana nasehon'ny Evanjely.
 
5 Nandatsa-paka ny hatsaram-panahy
 Ka indro ny zazavavy, zazalahy
 Nahafoy tena nampihafy itony nofo
 Handresena 'reo demony milofo.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 604
Vavaka sy Hira p. 657
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1574