Mifona aho, mivalo aho

1 Mifona aho, mivalo aho,
 Fa diso taminao aho, ry Andriamanitra
 Derao, ry manana aina,
 Ny herin'Andriamanitra.
 Mifona aho fa diso taminao.
 
2 Mifona izahay amin'ny hadisoanay
 Manimba ny tany aman-danitra.
 Amboary ny fanahy
 Hihoby an'Andriamanitra.
 Ekeo 'zao vavakay 'zao.
 
3 Ekeo, ry Ray, ny fangatahanay
 Mba tsy ho diso eo anoloanao 'zahay.
 Ireo ota isan'andro izay vitanay
 Dia ifonanay aminao, Ray.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Dera p. 259
Fihirana Hasina p. 598
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0585