Miangòna mba hihaino

1 Miangòna mba hihaino
 Ny lalàn'i Zanahary;
 Sady Ray izy no Tompo
 Fiankinan'ny aintsika.
 
2 Mianàra mafy isika
 Izay tokony hatao;
 Ka ny marina no araho
 Fa ny diso ialao.
 
Zanahary Tomponay e,
Mba tsilovy ny sainay
Ary ny fonay herezo
Hankatò ny didinao.
 

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 589
Vavaka sy Hira p. 499
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0504