Masina Maria, Reny malala

Masina Maria, Reny malala,
Indro ny foko. Ny fehiloha
Raiso anio, hovalianao
An-danitra any. (indroa)
 
1 Ankininay
 Aminao, Reny,
 Ny tenanay
 Sy ny fonay.
 
2 Izay tarihinao
 Ny diany
 Tsy mba lasan'
 Ny hadalana.
 
3 Faly 'zahay,
 Reny malala,
 Raha mandray
 Ny anatrao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 576
Vavaka sy Hira p. 586
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087