Maria ô no Reny, ka fantatro

Maria ô no Reny, ka fantatro tiako loatra
Nomen'i Jesoa ahy hatreto ka hatrany an-koatra.
 
1 Raha lavitra izany dia,
 Hitarika anao Maria.
 Ambony re jerena
 Maria no fanantena.
 
2 Raha sarotra izay atao,
 Hanampy ilay Reninao...
 
3 Raha betsaka ny tsy tia
 Hamonjy anao Maria...
 
4 Raha misy ny mankahala,
 'Lay Reny no mahalala...
 
5 Raha sendra ny fahoriana,
 Antsoy ilay Reny tiana...
 
6 Raha tojo ny hafaliana,
 Isaory ilay Reny tiana...
 
7 Raha latsaka am-pahotana,
 Maria no fanantena...
 
8 Raha lavon'ny hakiviana,
 'Lay Reny no fitokiana...
 
9 Raha tapitra ny eto an-tany,
 Ny lanitra mbola any...

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 572
Vavaka sy Hira p. 595
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091