Maria Mpanjakavavy no hiraintsika

1. Maria Mpanjakavavy no hiraintsika anio
 Ka samy asondroty ny fo hankaminy;
 Ataovy antso avo ny hoby sy ny dera,
 Ny sentosento koa asesiky ny fo.
 
Ianao Masina Maria ô, Mpanjakavavinay.
'Zahay matoky anao e, arovinao 'zahay.
 
2. Maria Mpanjakavavy mpanelanelana;
 Ianao be fahefana fa Jesoa Zanakao;
 Tsy misy tsy ho azo 'zay fangatahanao,
 Ka tonga re 'zahay e hifikitra aminao.

3. Maria Mpanjakavavy indreto vory eto, 
Ny zanakao mitondra 'zay mba fanatitra;
Tsy hitanay anefa 'zay tolotra homenay
Fa indro re mba raiso ny fonay tia anao.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 129
Fihirana Hasina p. 572
Vavaka sy Hira p. 602
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1179