Madio tsy misy tsiny

1 Madio tsy misy tsiny ianao, ry Reninay,
 Ka tsy mba misy loto mahavoa anao;
 Ny endrikao milanto, mazava toy ny andro,
 Mitondra ny hafaliana aminay zanakao.
 
Hoderaina anie, anio mandrakizay
'Lay Reny tia anay sy mpanome anay
Ny hasoavana;
Aoka hanakoako etý ambony tany
Sy any an-danitra any ny lazanao, Maria.
 
2 Ianao no voninahitry ny terak'i Adama,
 Fa toy ny vonindraozy antay tsilo be;
 Ka ny anaranao, anaran-tsoa indrindra,
 Mamy aminay mihoatra ny tantely.


 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 559
Vavaka sy Hira p. 600
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0292