Kintan'ny ranomasina mamirapiratra

1 Kintan'ny ranomasina
 Mamirapiratra,
 Savao ny haizim-pito,
 Tariho ny dianay!
 Mifofofofo ny tadio,
 Ny onja mirondrona koa;
 Mivembena ny lakanay
 Vonjeo, ry Reny maminay.
 
2 Kintana mpanazava,
 Ianao no tokinay;
 Rano mangeniheny
 No hotetezinay;
 Ho tody aminao 'zahay
 Tsy ho safotra an-dalana
 Hahita anao, ry Reninay,
 Tsy ho saraka anao mandrakizay.
 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 556
Vavaka sy Hira p. 581
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172