Jesoa Tompo ô, izao no vavako ato am-poko ka entiko aminao

1 Jesoa Tompo ô!
 Izao no vavako ato am-poko ka entiko aminao!
 Na amin'ny androm-pifaliana maharavo ny fiainako,
 Na amin'ny androm-pahoriana mampilofika azy koa,
 Ny finoako anao anie
 No hibaiko ny fisainako hitodihany aminao!
 
2 Jesoa Tompo ô!
 Izao no vavako mameno ny fanahy sy atifoko:
 Na amin'ny androm-pahasambarana
 Ivelaran'ny fitiavako,
 Na amin'ny androm-pijaliana
 Isehoana fankahalana,
 Ny finoako anao anie
 No hibaiko ny fitiavako hiraiketany aminao!
 
3 Jesoa Tompo ô!
 Izao no vavako mamintina ny amiko rehetra:
 Na amin'ny androm-pahombiazana
 Mahamirana ny endriko,
 Na amin'ny andro maharesy
 Tsy ahafahako manoatra,
 Ny finoako anao anie
 No hibaiko ny finiavako hifikirany aminao!

 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 551
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1538