Izahay e ravoravo

1 Izahay e ravoravo
 Miandrandra anao, Maria,
 Ampakarina any an-danitra
 Anjakan'ny Zanakao
 Fa omen'i Zanahary
 Voninahitra ianao.
 Ary derain'ny Anjely )
 Ny fahandriananao.  ) (indroa)
 
2 Koa valianay haravoana
 Ny hadiovam-ponao
 Sy satrohina fehiloha
 Ny fanetren-tenanao.
 Ka ny afo mampirehitra
 Ny fitiavan'ny fonao.
 Mba mahita valisoa  )
 Amin'ny naterakao?  ) (indroa)
 
3 Ny anjely mba manompo
 Sady mankalaza anao;
 Izy mino sy manaiky
 Ny fahambonianao!
 Koa 'zahay te hiasa
 Homba ny nalehanao:
 Fa finaritra, ô Maria e, )
 'Zay miraikitra aminao. ) (indroa)
 
4 Reny sambatra any an-danitra,
 Tianay ho azonao
 Ny fisaorana sy ny deran'
 Izao taninay izao.
 Aoka tsy hisy tsy haniry
 Mba ho tia ny fonao.
 Reny mamy sy miantra,)
 'Zahay te hambenanao. ) (indroa)
 
5 Reny tsara fo, mba tsarovy
 Izahay natsanganao,
 Ka tariho any an-danitra
 Mba hifaly aminao,
 Ny virjiny sy ny zaza
 Te hianatra aminao:
 Ny marary sy ny antitra )
 Maka toky aminao.        ) (indroa)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 134
Fihirana Hasina p. 537
Fihirana Vaovao p. 417
Vavaka sy Hira p. 612
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088