Ivavaho 'zahay, ry Reny tsara

1 Ivavaho 'zahay, ry Reny tsara,
 Ivavaho 'zahay fa zanakao,
 Ka ianao iantsoanay vonjy;
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 
2 Ivavaho 'zahay raha mahantra:
 Be rofy endre! ny andronay atý!
 Fa ny fonao mahay mangoraka olona;
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 
3 Ivavaho 'zahay raha toa rerakin'
 Ny ady izay leferinay atý;
 Fa ianao hahavitanay azy.
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 
4 Ivavaho 'zahay raha solafaka;
 Malama be ny lalanay atý:
 Sao mianjera ho faty izahay e,
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 
5 Ivavaho 'zahay raha enjehin'
 Ny olon-dratsy fahavalonay;
 Koa izahay mba tsy ho azon-tahotra,
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 
6 Ivavaho 'zahay vesaran'ota,
 Fa izahay mialoka aminao,
 Sao hotampohin'ny fahafatesana:
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 
7 Ivavaho 'zahay raha ho faty,
 Fa mafy loatra ny adin'ny demony:
 Hahatongavanay any an-danitra,
 Ry Maria Reninay, ivavaho 'zahay. (intelo)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 533
Vavaka sy Hira p. 576
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2657