Isika manana ady aty an-tany aty

1 Isika manana ady
 Atý an-tany atý,
 Miandrandra ny lanitra
 Itoeran'i Maria.
 
2 Ny tanany mahery
 Mitana antsika atý;
 Ka ataovy ao am-pony
 Ny ahiahintsika.
 
Ny Andriambavy mpiaro
Naharesy an'i Satàna:
Valio hira izy,
Hobio sy derao!
 
3 Maria, herezo mafy
 'Zahay fa rera-po;
 'Zahay miantso vonjy
 Sy manantena anao.
 
4 Raha izahay solafaka,
 Tohano tsy ho lavo;
 Raha izahay enjehina
 Sakano ny demony.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 532
Vavaka sy Hira p. 601
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089