Isaoranay ianao, ry Tompo Andriamanitray

(Dan. 3, 57-82)

Isaoranay ianao,
Ry Tompo Andriamanitray,
Ankalazainay mandrakizay
Ny anaranao.
 
Isaoranay ianao,
Ry Tompo Andriamanitray,
Ankalazanay mandrakizay
Ny voninahitrao.
 
1 Ry olombelona e, derao ny Tompo,
 Anjely masina e, derao ny Tompo,
 Ianao, ry lanitra ô, derao ny Tompo,
 Ry zava-boaary ô, derao ny Tompo.
 
2 Ry masoandro ô,... ry volana ô, ...
 Kinta-mamiratra ô, ... ora-mikija ô, ...
 
3 Ry hafanana e, ... hatsiaka mamanala e, ...
 Ry ranomandry e, ... oram-panala e, ...
 
4 Andro mazava e, ... ry ali-maizina e, ...
 Ry fahazavana ô, ... ry haizim-pito ô, ...
 
5 Ry tendrombohitra e, ... havoana feno hazo e, ...
 Zava-maniry e, ... rano eny an-danitra e, ...
 
6 Ry loharano e, ... farihy sy ony e, ...
 Ry ranomasina e, ... biby amam-borona e, ...
 
7 Ry olombelona e, ... hirao mafy hoe ...
 Ankehitriny e, ... mandrakizay e...
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 531
Fihirana Vaovao p. 478
Vavaka sy Hira p. 416
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092