Ilaozako 'ty tranonao, Maria ô

Ilaozako 'ty tranonao, Maria ô,
Ilaozako kanefa re ny foko,
Ry Maria ô, ny foko sy ny saiko
Apetrako tsy hisaraka aminao.
 
1 Voninahitra anie ho anao, ry Maria ô,
 Fa ianao Renin'Andriamanitra.
 
2 Dera ho anao, ry Virjiny madio
 Fa ianao tsy voakasi-pahotana.
 
3 Hotiavina ianao, ry Maria ô,
 Fa ianao Reny malalanay.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 521
Vavaka sy Hira p. 564
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093