Iaveh o, ianao no andry ianteherako

(Sal. 30)

Iaveh ô, (indroa)
Ianao no andry ianteherako.
 
1 Avia hamonjy ahy,  ry Tompo mpiaro ahy,
 Ny anaranao anie,  no ho faniloko.
 
2 Ireo fahavalo namela-pandrika ahy.
 Kanefa ianao  manafaka ahy re.
 
3 Ireo manaja sampy,  tsy ankasitrahiko;
 Ianao irery, Tompo,  no ianteherako.
 
4 Mientan-kafaliana sy harovanao aho,
 Satria esorinao ny fahoriako.
 
5 He! lanin'ny alahelo sy hetsaky ny sento
 Ity fanahiko noho ny otako.
 
6 Ny dera ho anao, ry Tompo tsara fo,
 Sy rova tokiko, mandrakizay. Amen.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 65
Fihirana Hasina p. 520
Fihirana Vaovao p. 62
Vavaka sy Hira p. 272
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0603