Ianao no andrandraiko

Ianao no andrandraiko,
Tompo ô, Ray be fitia,
Ianao no antenaiko,
heriko etý an-tany etý.

(Sal. 122)

1 'Zaho anie mpanompo sy zanakao
 Vonon-kanatanteraka 'zay sitrakao:
 Mitenena, Tompo, an-danitra ao,
 Fa mihaino aho mpanomponao.
 
2 Toy ny zazakely lavitra anao,
 Faly miantsoantso ilay anaranao.
 Eny, mino aho tiavinao,
 Fa handresy izao tontolo izao.
 
3 Marobe, ry Ray ô, ireo tsy tia
 Sahy manambitamby anie handao anao:
 Ka iraho hatrany i Jesoa Kristy,
 Izy hitantana ahy ho anilanao.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 506
Fihirana Vaovao p. 58
Vavaka sy Hira p. 358
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189