Hohetsahin-java-tsoa avy amin'ny Tompo ireo 'zay noana

Hohetsahin-java-tsoa avy amin'ny Tompo ireo
'Zay noana sy matoky azy;
hohetsahin-java-tsoa 
avy aminy mandrakariva. (Lk. 1, 53)

(1 Sam. 2, 1-10)
 
1 Endrey ny hafaliako manana ny Tompo,
 Ny lohako mitanondrika mitraka;
 Ka indro aho misoka-bava hiaro tena,
 Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao a.
 
2 Ny masina toy ny Tompo dia tsy misy,
 Ny toky manahaka azy koa dia nofy,
 Tandremo ny teny an'avona fanao,
 Tandremonareo ny vava tafahoatra.
 
3 Satria tsisy zava-miafina amy Tompo,
 Sady izy mandanja hatrany ny asantsika:
 Ny olo-mahery tapaka tsipìka,
 Ny osa kanefa miatrana amin-kery.
 
4 Ny voky nasainy miasa mikarama,
 Ny noana kanefa homana tsy miasa,
 Ny momba nomeny zanaka amam-para,
 Kanefa ny maro anaka malazo.
 
5 Mamono ary koa mamelona ny Tompo,
 Mampidina sy mampakatra ny maty,
 Mampanana sy mandevona ny Tompo,
 Mampietry izy fa manandratra avy hatrany.
 
6 Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
 Akariny avy eo am-pako ny mahantra,
 Ka indro nomeny toerana mpanjaka,
 Tolorany fiketrahana mihaja.
 
7 Ny andrin'ny tany an'iza tsy azy Tompo,
 Ka eo no nasiany izao tontolo izao;
 Ny marina endrey tsinjoviny mandeha,
 Ny haizina kosa handevona ny ratsy.
 
8 'Zay miady manohitra azy torotoro:
 Darofany kotro-baratra izy ireny,
 Tsarainy tokoa ny fara vazantany,
 Sikinany hery izay nampanjakainy.
 
9 Asandrany ambony homeny fahefana
 Ny tandrok'ilay voahosotra ho mpanjaka.
 Hisaorana anie ianao, ry Ray mahery,
 Ny Zanaka sy Fanahy dia hoderaina.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 125
Fihirana Dera p. 275
Fihirana Hasina p. 497
Vavaka sy Hira p. 391
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094