Hankany an-danitra aho, hahita an'i Maria

Hankany an-danitra aho
Hahita an'i Maria,
Hankany an-danitra aho
'Zay paradisanay.
 
1 Hankany indray andro any
 Hahita an'ilay Reny,
 Hijery tanin-dRay
 'Zay lovanay tokoa.
 
2 Hankany indray andro any
 Handray ny lovanay,
 Hivolon-tompony ao
 'Zahay mandrakizay.
 
3 Hankany indray andro any
 Finoana mafy tsara
 Sy fitiavam-be
 No tohatra mankany.
 
4 Hankany indray andro any
 Hampiato alahelo,
 Hamafa ranomaso,
 Hanovo haravoana.
 
5 Hankany indray andro any
 Ho lavitra ny tany,
 Hitoetra akaikinao,
 Ho soa mandrakizay.
 
6 Hankany indray andro any
 Ny zanakao, ry Neny,
 Hamantan-trano soa
 Anilanao tokoa.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 480
Fihirana Vaovao p. 423
Vavaka sy Hira p. 588
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242