Feno ny fanomezanao

1 Feno ny fanomezanao
 'Zahay misaotra anao anio:
 Atokanay ho anao, Reny,
 Ny fonay sy ny tenanay;
 Tsaroanay ny fiantranao olona;
 Tsaroanay ny nomenao any.
 
Tsy ho foinay ianao, Reny, )
Tsy ho foinay fa tianay.     ) (indroa)
Tsy ho foinay fa tianay.     )

2 Ny fahadiovam-ponay
 Mila ho very isan'andro,
 Fa be ny fandrika velarin'
 Ny demony mihaza anay;
 Koa ivilianay ny lalan-dratsy,
 Tsy hahatraran'i Satàna anay.
 
3 'Zahay raha mba tia anao
 Ka mino ny anatrao, Reny,
 'Zahay hihaona aminao any,
 Ka hialoka anilanao.
 Mifaly fo 'zahay miandry izany,
 Ka avelanay ny ahiahy foana.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 466
Vavaka sy Hira p. 576
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0527