Fantatrao, Ray ô

1 Fantatrao, fantatrao, Ray ô,
 Ny hadalako, ifonako;
 Ifonako ny hadalako. (indroa)
 Tantano amin'ny fahendrena
 Ny fiainako,
 Ho voninahitrao, ry Ray.
 
2 Tsapanao, tsapanao, Jesoa,
 Ny fikomiako, ivalozako;
 Ivalozako ny fikomiako. (indroa)
 Areno amin'ny fitiavanao
 Ny foko,
 Ho lapanao, Jesoa.
 
3 Hitanao, hitanao, Fanahy,
 Ny halemeko, ibabohako;
 Ibabohako ny halemeko. (indroa)
 Tohano amin'ny herinao
 Ny tenako,
 Ho rovanao, ry Fanahy.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 465
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088