Fa satria tia antsika e Andriamanitra

Fa satria tia antsika e Andriamanitra.
 
1 Moa ve misy mahasaraka amy Tompo?
 Fahoriana, fahantrana, fihafiana,
 Ny mosary, sa ny loza, sa ny vono?
 
2 Tsy mihontsona amin'izany anefa isika,
 Fa vao mainka koa mihoatra ny mpandresy,
 Fa satria i Jesoa Tompo tia antsika!
 
3 Na ho faty na ho velona isika,
 Na anjely, na ireo mpanohitra azy,
 Na 'zao androntsika 'zao na ny ho avy!
 
4 Na 'reo zanahary ambony na ny ambany,
 N'inona n'inona am'izao tontolo izao,
 Dia tsy misy manan-kery amintsika!
 
5 Tsisy afaka manery antsika hiala,
 Tsy hoalofan'ny fitiavan'Andriamanitra
 'Zay niseho tam'i Jesoa Tompontsika!

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 457
Fihirana Vaovao p. 147
Vavaka sy Hira p. 442
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143