Eo an-tongotrao, ry Reny

1 Eo an-tongotrao, ry Reny,
 Eo re no fara hery
 'Zay minia tsy mankeny
 Dia anisan'olom-bery.
 
Ry Maria ô, mba tahio
Izahay mba hadio
Ho toa anao etý an-tany
K'hahita anao an-danitra any.
 
2 Eo an-tongotrao, ry Reny,
 Velom-bolo ny mahantra
 Fa ny hany tena hareny
 Dia ny masonao miantra.
 
3 Eo an-tongotrao, ry Reny,
 No fitoeran'izay osa
 Tsy mba kinga an'ady ireny
 Fa mahay miery kosa.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 452
Vavaka sy Hira p. 580
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089