Efa tonga ny volan'i Maria renintsika

Efa tonga ny volan'i Maria Renintsika:
Miangòna hiventy hira vao aminy.
 
1 Ho an'ny Renintsika ny voninkazo vao,
 Ka mba atolory azy ny fitiavantsika.
 
2 Maria, ampanirio aminay zanakao
 Ny hatsaram-panahy hitanay aminao.
 
3 Reninay mba arovy ny hatanoranay
 Tsy ho voan'ny fandrika velarin'i Satàna.
 
4 Ary izahay, akaro any anilanao,
 Mba hankalazanay ny voninahitrao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria - Tanora
Fihirana Dera p. 133
Fihirana Hasina p. 442
Fihirana Vaovao p. 418
Vavaka sy Hira p. 608
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257