Efa maty ny masoandro

1 Efa maty ny masoandro,
 Mangingina ny taninay,
 Koa 'zahay mamela ny asa
 Mba hidera anao, Maria. (indroa)
 
2 Te hatory tsara izahay e
 Fa matahotra ny demony;
 Raha tsy ambenanao, Reny,
 Tsy tafandry mandry izahay. (indroa)
 
3 Fa 'zahay tsy matahotra inona
 Eto amin'ny tongotrao:
 Fa ny lohanay ampandrio
 Eo an-tànanao, Maria. (indroa)
 
4 Mba sakano ny nofy ratsy
 Entin'i Satàna aminay;
 Ny tarehinao asehoy
 Hahamasina ny nofinay. (indroa)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 440
Fihirana Vaovao p. 419
Vavaka sy Hira p. 564
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087