Derao i Iaveh, antsao i Iaveh

Derao i Iaveh, antsao i Iaveh
Dera sy laza mandrakizay. (indroa)

(Sal. 110)
 
1 'Zaho misaotra an'i Iaveh
 Amin'ny foko tontolo anie,
 Am-piangonana raha mivory
 Ireo mpino olo-marina.
 
2 Ny asa vitany lehibe
 Taozavatra soa sy masina
 Ka izay tia azy, mikatsaka azy
 Fa mamy ny fitiavany.
 
3 Fiamboniana ny asany
 Mamiratra voninahitra.
 Maharitra mandrakizay
 Ny asam-pahamarinany.
 
4 'Reo zava-mahatalanjona
 Lova tantaran'ny razana
 Dia namelan'Andriamantira
 Fahatsiarovana velona.
 
5 Fa izay matahotra azy anie
 Nomeny hanina, afa-po
 Antra mangoraka i Iaveh
 Fa tsara fo sy mazava fo.
 
6 Eny, tsarovy mandrakizay
 'Lay fanekena fahiny izay;
 Fa tsy mivadika i Iaveh
 Tsy mba miova mandrakizay.
 
7 Nasehony ny vahoakany
 Ny herin'ny asan-tànany
 Ny lovan'ny firenena maro
 Nomeny azy ho taniny.
 
8 Fahamarinana, fitsaràna
 Ny asa vitan'ny tànany
 Mahatoky ny lahatra
 Haharitra mandrakizay.
 
9 Dia fanavotana, famonjena
 Ho an'ny vahoakany lovany
 Ny fanekeny naoriny
 Haharitra mandrakizay.
 
10 Masina sy mahatahotra
 Avo indrindra ny anarany.
 Fiandoham-pahendrena anie
 Raha ny tahotra an'i Iaveh.
 
11 Fahaizan-tsoa sy matahotra azy
 Manatontosa ny didiny.
 Maharitra mandrakizay
 Ny fiderana, fisaorana azy.

Nampiditra Belle
Sokajy Fihobiana - Salamo
Fihirana Dera p. 55
Fihirana Hasina p. 424
Vavaka sy Hira p. 339
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115