Raiko ô, ry Raiko ô, mbola tsisy àry akory ny voaary manontolo

1 Raiko ô, ry Raiko ô
  Mbola tsisy àry akory ny voaary manontolo
  Dia efa izaho ilay Teninao
  Tao anatinao hatrany
  Ny  Fanahy no ifankatiavantsika, (Jo. 11, 17; Sal. 32)

2 Raiko ô, ry Raiko ô
   Taonjato maro be, ianao nandefa Mpaminany
   Ho an’ilay vahoakanao,
   Teninao no nambarany,
   Ny Fanahy no nibitsika azy ireo, (Heb. 1, 2)

3 Raiko ô, ry Raiko ô
   Ianao naniraka ahy ho amin’izao tontolo izao
   Ary indro aho nanangona
   Ireo zanakao rehetra,
   Izaho kosa dia miverina aminao (Jo. 11, 52)

4 Raiko ô, ry Raiko ô
   Fiainanao Andriamanitra Ilay Tokana Avo indrindra
   Tsy mba fiainana manirery
   Fa fiainan-kasambarana
   Iombonako aminao sy ny Fanahy (Jo. 17, 6)

5 Raiko ô, ry Raiko ô
   Tsiambarantelontsika no naborako ny olona
   Tsy fiainana miolonolona
   Fa fiainam-pifaliana
   Iantsoanao azy ireo hiriariavana

6 Raiko ô, ry Raiko ô
   Indro Aho ankehitriny fa efa eo anilanao
   Ireo mpianatro dia mino
   Fa avy any ambony Aho,
   Dia handefa ny Fanahy iainantsika
   (Jo. 1, 51; 6, 42; 16, 27)

7 Raiko ô, ry Raiko ô
   Tsy mahita Ahy intsony ny olombelona eny an-tany,
   Ny Fanahy avy amintsika
   Hiara-monina aminy eny,
   Hampita ny Aintsika ho ao aminy.

Nampiditra hery
Fihirana Hasina p. 724
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009