Ry Maria ô, vory eto izahay

Ry Maria ô (in-2)
Vory eto izahay zanakao

Faly sy ravo fa manana anao e
Mivavaka ho anay (in-2)

Ianao, ilay reny tia anay
Matoky anao (in-2) izahay

Angataho amin’ny Zanakao,
Mivavaha ho anay

Fa tsy mendrika izahay
 
1-  Kanefa mivavaka ho anay ianao
E, Isaoranay ianao
Kanefa mitsimbina anay hatrany ianao
Kanefa mitantana ny fiainanay
E, Masina Maria ô
 
2- Kanefa mivavaka ho an’ny hoavinay
E, Isaoranay ianao
Kanefa mikatsaka izay hahasoa anay
Kanefa miharo anay mpanota ianao
E, Masina Maria ô
Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105