Miaraka amin'ny anjely maro

1. Miaraka amin'ny Anjely maro
'Zay manodidina anao Tompo,
'Zahay mitsaoka anao sy miankohoka
Fa mino izay voalazanao (2)

Fiv.
Ry Zanak'ondry mahafatifaty,
Diovy aho te-handray anao,
Tsy mendrika aho, Ianao miantso
Ka dia handroso amim-panajana,
Endrey, ny hasambarako, ry Tompo,
Toloranao ny Vatanao masina.
Fihino aho tahaka an'i Joany
An-tratranao, Jesoa, mandrakizay.

2. Nanota be tamin'ny Ranao masina,
Ka tsy sahy miandrandra anao.
Teny iray monja, Tompo, no lazao,
Dia hositraninao ny fonay. (2)

3. Matoky fa navelanao, ry Jesoa,
Ka mandray izao ny fonay tontolo;
Tsy misy loza mety mampitebiteby
Fa izay ombanao mandry avokoa. (2)

Nampiditra hery
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 590
Fihirana Vaovao p. 371
Vavaka sy Hira p. 743
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106