Mba tiako ny tranonao, ry Jesoa

1. Mba tiako ny tranonao, ry Jesoa,
Hitoerako tsara mandrakizay.
Fa ianao eto mananatra ahy
Ka ny foko mba miray aminao. (3)

2. Mba sambatra izay mahita anao
Ka tsy miala amin'ny tongotrao,
Andro iray anilanao mihoatra
Arivo taona amin'ny olom-poana (3)

3. Atolotro anao Andriamanitra,
Ny tenako sy ny fanahiko
Ilaozako ny trano misy ratsy,
Fa i Jesoa no nandray ny foko (3)

4. Mihinam-py 'zay mandray anao Tompo
Fa mofon'aina Ianao Jesoako,
Ny lanitrao toa tafiditra am-pon'
Ny kristianina vao nanao Komonio (3)


 
 
 

Nampiditra hery
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 586
Fihirana Vaovao p. 370
Vavaka sy Hira p. 750
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0693