Asandrato i Maria

1 Asandrato i Maria, tolory voninahitra izy;
 Asandrato i Maria, an-tany sy any an-danitra any.
 Aoka ny fontsika hankasitraka azy;
 Aoka ny fontsika hiray fiderana;
 Ka ny vava rehetra hiray hankalaza an'i Maria.
 
Asandrato i Maria
Tolory voninahitra izy;
Asandrato i Maria,
An-tany sy any an-danitra any.
 
2 Ny hatsaran'i Maria hajao sy ankalazaontsika;
 Ny hatsaran'i Maria soraty hiraikitra am-pontsika.
 Tany aman-danitra, mankamasìna azy,
 Tany aman-danitra, mba mankalazà.
 'Sika va tsy mba hihira ny Andriambavintsika?
 
3 Tanteraho, ry Maria, ny fitahianao anay e;
 Tanteraho, ry Maria, ny hasambaran'ny fonay;
 Mba tariho làlana 'zahay sao ho diso;
 Mba tariho làlana 'zahay zanakao;
 Ka hadio fo 'zahay e mandra-pahafatinay.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 411
Fihirana Vaovao p. 416
Vavaka sy Hira p. 613
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092