Any an-danitra anjakanao, ry Tompovavy mamiko

1 Any an-danitra anjakanao,
 Ry Tompovavy mamiko,
 Ny fitarainako henoy:
 Mba iantrao, Maria, ny fahoriako.
 
Mba rahoviana, ry Reny,
Ny andro 'zay hialana
Amin'ity tany be rofy,
Ka hiakarako an-danitra any
Hihaonako aminao?
 
2 Be alahelo aho, ry Reny,
 Atý an-tany lavitra anao;
 Ny hasambarana toy ny nofy
 Tsy azo antenaina mba ho anjarako.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 132
Fihirana Hasina p. 406
Fihirana Vaovao p. 417
Vavaka sy Hira p. 601
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092