Andriamanitra no itokiako

(Sal. 29)

Andriamanitra no itokiako,
Izy tokoa no mahavonjy.
 
1 Ny Tompo no nanafaka ahy
 Tamin'ny fahavaloko.
 Ny Tompo no nantsoiko,
 Ka endre novonjeny aho.
 
2 Ny Tompo no nampakatra ahy
 Avy tany ambany tany.
 Ny Tompo no namonjy ahy,
 Ka endre velombelona aho.
 
3 Mihirà, miantsà ny Tompo
 Ianareo, ry mpivavaka ô,
 Misaora ny anarany
 Fa izy no manambina ahy.
 
4 Ny hariva maika ho alina,
 Ny maraina feno hafaliana;
 Ianao kosa, ry Tompo ô,
 Tsy miova mandrakizay.
 
5 Ny Tompo no nanambina ahy
 Sy niaro ny tenako;
 Nefa re niafenany aho
 Ka indrisy very hevitra.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 388
Vavaka sy Hira p. 271
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171