Fitiavana Andriamanitra

Fitiavana Andriamanitra! (inefatra)
 
1 Izay tsy tia dia tsy mahay        (Fitiavana)
 Na mahalala an'Andriamanitra
 Fa satria Andriamanitra: Fitiavana.
 
2 Toy izao no nisehoan'         (Fitiavana)
 Ny fitiavan'Andriamanitra
 Andriamanitra naniraka ny Zanany;
 
3 Andriamanitra naniraka ny Zanany, ilay tokany,
 Honina teto amin'izao tontolo izao,
 
4 Mba ho amin'ny alalany no ivelomantsika.
 Izao izany fitiavana izany:
 
5 Tsy isika anie akory no nitia an'Andriamanitra,
 Fa dia izy no nitia antsika kosa
 
6 Sy naniraka ny Zanany ho sorona fifonana,
 Fanonerana ireo fahotantsika.
 
7 O ry havako malala, raha tahaka izany moa
 No nitiavan'Andriamanitra antsika,
 
8 Dia tsy maintsy mba mifankatia isika samy isika;
 Efa tia antsika manko Andriamanitra.
 
9 Fa tsy nisy olombelona na oviana na oviana
 Ka hoe nahita maso an'Andriamanitra.
 
10 Raha mifankatia isika no honenan'Andriamanitra:
 Lavorary ao amintsika ny fitiavany.
 
11 Koa ny afahantarantsika fa ao aminy àry isika,
 Ary izy monina ao amintsika;
 
12 Dia izao: ny nanomezany antsika ny Fanahiny,
 Izahay vavolombelona nahita.
 
13 Nanambara fa ny Ray dia naniraka ny Zanany
 Ho Mpamonjy an'izao tontolo izao.
 
14 Izay miaiky fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra,
 Dia monina ao aminy Andriamanitra.
 
15 Ary izy koa monina ao amin'Andriamanitra,
 Eny, monina ao amin'Andriamanitra.
 
16 Izahay dia nahafantatra ary nino ny fitiavana
 Izay ao amin'Andriamanitra ho antsika.
 
17 Koa ny olona izay monina ao amin'ny fitiavana,
 Dia monina ao amin'Andriamanitra.
 
18 Ary izy Andriamanitra dia monina ao aminy.
 Andriamanitra, eny e, dia fitiavana!
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 418
Fihirana Hasina p. 342
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088