Sambatra indrindra ny kristianina

1 - Sambatra indrindra ny kristianina
Izay madio fo, madio fo.

Fiv: Sambatra indrindra izy madio fo
Fa izy hahita an'Andriamanitra.

2 - Mamerovero ny fo madio
Tian'i Jesoa sy i Maria.

3 - Ny hadiovana rakitra soa,
Be fahavalo ka mitandrema.

4 - Koa mivavaha sy miambena
Fidio tsara ny namana.

5 - Ny Komonio mahefa be
Ny Ran'i Jesoa no mpanadio.

6 - Aza hadinoina i Masina Maria
Reny Virjiny Imakole.

 

Nampiditra pissoa
Sokajy Samihafa
Fihirana Dera p. 55
Fihirana Hasina p. 712
Vavaka sy Hira p. 539
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0289