Mangetaheta famonjena

1 - Mangetaheta famonjena
Ny olonao, ry Jesoa o
Ka iantrao fa mahonena :
Vonjeo, vonjeonao ry Jesoa
Omeo Pretra maro.

Fiv : Vonjeo, vonjeonao ry Jesoa,
Omeo Pretra maro.

2 - Tsy mahalala izay ataony
'Reo mbola anaty haizim-be
Tsy mahalala Anao akory
Fa dia variana manompo
Ny vato aman-kazo.

3 - Mandeha an-jamba lalandava
'Reo ondry diso lalana :
Voafitaka, voarebireby,
Ivelan'ny vala tokana
Ny havanay ry Jesoa.
 
4 - Maditra sy kirina ratsy
'Reo zanakao mpanota be,
Mila mpitsabo, mila mpanampy,
Ka pretra no angatahiny
Hitondra azy aminao.
 
 
 

Nampiditra pissoa
Fihirana Dera p. 98
Fihirana Hasina p. 570
Fihirana Vaovao p. 400
Vavaka sy Hira p. 515
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088