Ô ry lanitra ô, derao i Iaveh

(Sal. 95)

Fiv: Ô ry lanitra ô, derao i Iaveh,
Ô ry tany ô, derao i Iaveh.

Ranomasina e, derao i Iaveh,
Zava-boaary ô, derao i Iaveh.

1 - Hirao ny Tompo, 'lay Tompo Tsitoha,
Derao ny Anarany, ry zava-boaariny.
Ny firenen-drehetra sy ny vahoakany
Itantarao koa ny voninahiny.

2 - Fa lehibe tokoa sy mendri-dera anie,
Tsy manam-paharoa 'lay Tompo Masina :
Mahefa be i Iaveh, nanao ny lanitra,
Mamirapiratra ny fiandrianany.

3 - Ry firenen-drehetra sy izao tontolo izaom
Venteso mafy hoe : ry Tompo, manjaka :
Izay naorinao, tomombana tokoa,
Izay tsarainao, vita ara-drariny.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fidirana - Salamo
Fihirana Dera p. 90
Fihirana Hasina p. 335
Fihirana Vaovao p. 49
Vavaka sy Hira p. 327
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009