Ny finoana marina mahay mahita Anao

1 - Ny finoana marina
Mahay mahita Anao
Anatin'ny mistery
Iankohofanay.

Fiv: Ry Jesoa mofo velona,
Izahay manantena
Hahita Anao an-danitra any,
Raha avy 'zay farandro
'Zahay hahita Anao.

2 - Mba omeo anay e
Izany fahendrena
Tian'ny Fonao Masina
Hitoetra ao am-ponay.

3 - 'Zay tratry ny aintsika
Ataovintsika izao,
Hidera sy hanaja
Ny Zanaharintsika.

4 - Tahio izahay e
Ry Jesoa Tomponay
Aoka hotandremanay
Ny hamasinanao.

Nampiditra pissoa
Fihirana Dera p. 88
Fihirana Hasina p. 644
Fihirana Vaovao p. 369
Vavaka sy Hira p. 566
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101