Mba mamiko 'ty trano 'ty

1 - Mba mamiko 'ty trano 'ty fa misy
Ny hanim-bao namboarin'i Jesoa,
Gina avokoa ny foko sy ny saiko,
Fa i Jesoa no niditra amiko.

Fiv : Ry mofo velona nohaniko
Mifaly aho, be ny anjarako.

2 - Ny Avo be nidina hamangy ahy,
Izy mitoetra anatin'ny foko ;
Efa mamiko ka tsy ho foiko Izy,
Efa azoko ka tsy halefako.

3 - Tsy fantatro 'zay fanomezana mendrika
Havaliko ny soa nomenao ;
'Zao foko 'zao no omeko Anao, ry Jesoa,
Fa ny foko no tadiavinao.
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 83
Fihirana Hasina p. 581
Fihirana Vaovao p. 377
Vavaka sy Hira p. 755
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092