Hanambara ahy ny Fanahy

Hanambara ahy ny Fanahy,
Hanafaka ny alahelonareo;
Hanambara ahy ianareo,
Hanakafaka ny alahelon'ny olona.
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!
 

(Be Gilbert)

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 207
Antsao ny Tompo p. 44
Fihirana Hasina p. 287
Fihirana Vaovao p. 154
Vavaka sy Hira p. 426
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198