Fiainana mandalo sy mihelina ny eto an-tany

Fiainana mandalo
Sy mihelina ny eto an-tany,
Fa fiainana maharitra
No hitodiantsika.

(Sal. 121)
 
1 Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra
 Nilazana fa hizotra ho any an-tranon'izy Tompo.
 Indro tonga soa 'zahay, tapitra eto re ny dia,
 Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
 
2 Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon'izy Tompo;
 Ao ny anaran'izy Tompo no derain'i Israely.
 Fiketraham-pitsaràna no mijoro anatiny ao,
 Ary miorina ao anivony ao ny tranon'i Davida!
 
3 Angataho, italahoy fiadanana i Siôna;
 Fanambinana e, mba ho amin'ny olon-tia anao rehetra!
 Fiadanana e, mba honina ao anaty mandanao,
 Ka hanjaka lalandava ao anaty rovanao!
 
4 Noho ireo sakaiza maro sy 'reo havako rehetra,
 Aoka aho hilaza hoe: Fiadanana ho anao!
 Noho ny tranon'izy Tompo, dia 'lay Andriamanitray,
 Tiako indrindra, ry Siôna, ny mba hiadananao!
 
5 Andriamanitra ô, indreto izahay hidera anao,
 Fa ny lahitokanao no miara-dalana aminay;
 Hankahery anay hatrany ny Fanahy nomena anay,
 Mba ho tody soa 'zahay hiara-monina aminao!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 217
Fihirana Hasina p. 257
Vavaka sy Hira p. 355
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009