Izay manaraka azy Tompo, tsy mba mandeha amin'ny haizina

Izay manaraka azy Tompo
Tsy mba mandeha amin'ny haizina,
Eny e, tsy mba mandeha amin'ny haizina,
Fa izy no fahazavana sy fiainana ary lalana.
 
1 Miandra any an-tendrombohitra ny masoko:
 Avy aiza àry no ho tonga izany vonjiko?
 2 Avy any amin'izy Tompo re ny vonjiko,
 Fa izy nanao ny tany sy ny lanitra.
 
3 Ary izy tsy hamela anao ho solafaka,
 Satria tsy sondrian-tory fa miambina.
 4 Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,
 Fa miambina an'i Israely re ny Tompony.
 
5 Ny Tompo miahy anao amin'ny alina,
 Ny Tompo eo anilanao ka miambina.
 6 Masoandro ny antoandro, tsy afaka hisompatra,
 Ny volan'ny alina aoka tsy hatahorana.
 
7 Tsy ho voan'ny loza ianao fa ambenany,
 Ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.
 8 Miambina anao mandroso sy miverina,
 Ny Tompo no toky ary izy tsy mivadika.
 
9 Isaorako lalandava re ny Tompoko:
 Ny Ray 'zay nanangana ahy sy mitsimbina.
 10 Ny Zanaka hazavana mahavelona
 Naniraka ny Fanahy mahasambatra.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 155
Fihirana Dera p. 204
Fihirana Hasina p. 255
Fihirana Vaovao p. 436
Vavaka sy Hira p. 354
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214