Mba sambatra izay tsy manan-tsiny

(Sal. 118)

Mba sambatra izay tsy manan-tsiny,
Mitandrina ny didinao, mba sambatra.
 
1 Izay manaraka ny didinao,            aleloia
 Mitàna ireny anatrao rehetra,         aleloia
 Miraikitra aminao ny fony endrey,   aleloia.
 
2 Midera anao sy mankalaza anao, aleloia
 Ny foko sy ny aiko manontolo...
 Fa sitrako erý ny didinao...
 
3 Izaho anie vahiny an-tany atý, aleloia
 Koa aza avela hania handao anao...
 Fa mba atoroy ahy ny didinao...
 
4 Miezaka anie aho hitandrina, aleloia
 Ny teninao sy ireny anatrao...
 Mba mamy loatra re ny didinao...
 
5 Ny saiko hazavao mba hankatò, aleloia
 Ny foko hafanao mba hankafý...
 Ny didinao fa mahatehotia...
 
6 Fa marina ianao, ry Tompo ô, aleloia
 Ny asanao dia rariny avokoa...
 Ny didinao dia lavorary anie...
 
7 Lalàna tsara nomenao anay, aleloia
 Finaritra 'zay tia ny teninao...
 Fa vonjy ho anay ny didinao...
 
8 Variana ny saiko, Tompo ô, aleloia
 Mieritreritra ny didinao...
 Mba hendry re ny fo 'zay tia anao...
 
9 Ka voninahitra mandrakizay, aleloia
 Ho anao, ry Ray, sy ho an'ny Zanaka...
 Ary ho anao Fanahy Masina ô...

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 254
Fihirana Vaovao p. 211
Vavaka sy Hira p. 352
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093