Miderà, miderà an'i Iaveh

(Sal. 116)

Miderà, miderà an'i Iaveh, miderà!
 
1 Miderà an'i Iaveh, ianareo firenena rehetra,
 Mihobia, mankalaza azy Tompo, e ry mponina rehetra.
 
2 Lehibe ny indrafony amintsika vahoakany eto an-tany
 Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinan'izy Tompo.
 
3 Ny fitiavany anie no niantsoany antsika ho zanany,
 Hiaraka amin'i Jesoa Mpamonjy ho voninahitr'izy Ray.
 
4 Sitrapon'izy Ray, fandaharany masina indrindra
 Ny hivondronan'ny zava-drehetra ao amin'i Kristy.
 
5 Famantarana anie avy amin'ny Fanahy Masina
 No manavaka antsika mpandova sy olom-pinidiny.
 
6 Dera anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy,
 Toy ny taloha sy ankehitriny sy mandrakizay. Amen.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 58
Fihirana Hasina p. 249
Fihirana Vaovao p. 101
Vavaka sy Hira p. 346
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091