Misy zaza teraka ho antsika

Fiv: Misy zaza teraka ho antsika,
Zazalahy nomena antsika,
Ny fanjakana napetraka eo an-tsorony
Ny anarany dia atao hoe :
"Mpitondra hafatra lehibe". (Iz. 9, 5)

(Sal. 97)

1 - Manao tononkira, mifalifalia,
Derao ny Tompontsika, derao, hobio :
Fa mahagaga loatra ny asany.

2 - Asehon'izy Tompo ilay famonjena,
Ambarany amintsika ny marina :
Ny firenen-drehetra no avotany.

3 - Masoandro mibaliaka ny fitiavany,
Manilo sy manambina ny tany :
Derao ny Tomponao, ry vahoaka.
 
4 - Tendreo ny lokanga, rontsony ny valiha,
Ka tsofy ny antsiva, ry vahoaka:
Hobio ilay Mpanjaka sy Tompo.
 
5 - Midobodoboha, ry ranomasimbe,
Mientàna, mitehafa, ry ony:
Ny vohitra aoka hifalihavanja.
 
6 - Hitsena ny mpamonjy an'izao tontolo izao,
Fa indro izy tamy manatona:
Hitsara sy hanavotra antsika.
 
7 - Hitondra ny vahoakan'ny tany rehetra,
Hiezaka hampanjaka ny rariny:
Ho velona, hiadana isika.

Nampiditra pissoa
Sokajy Noely - Salamo
Fihirana Dera p. 104
Fihirana Hasina p. 607
Fihirana Vaovao p. 28
Vavaka sy Hira p. 329
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369